Skip to main content

Fikambanan’ny Augustins de l’Assomption na ny Assomptionnistes

Ny Mpanorina
I Père Emmanuel d’Alzon no mpanorina ny Fikambanan’ny Augustins de l’Assomption, fantarina ihany koa amin'ny anarana hoe Assomptionnistes. Teraka tamin’ny 30 Aogositra 1810 tao Vigan, ao amin’ny Diosezin’i Nîmes any Frantsa, izy ary nodimandry tamin’ny 21 Novambra 1880 tao Nîmes ihany.
Antony nanosika azy hanorina ny Fikambanan’ny Augustins de l’Assomption
Nandritra ny taonjato faha-19, nandalo fotoan-tsarotra ny Fiangonana Katôlika tao Frantsa, indrindra taorian’ny Revolisiona frantsay tamin’ny 1789. Nisy ny fanoherana ny finoana sy ny fivavahana kristianina, izay nampihena ny anjara toeran’ny Fiangonana teo amin’ny fiaraha-monina. Izany dia naharitra taona maro hatramin’ny fahatanoran’i Mompera d’Alzon, izay nahatonga azy hanana faniriana hiaro ny Fiangonana ho fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ny antony lehibe nanosika azy dia:

Hanitatra ny fanjakan’Andrimanitra no antony lehibe nonosika azy hanorina ny fikambanana.Teo koa ny faniriany hanangana fiarahamonina miaina ny finoana kristianina katolika sy ny fikasany hanofana tanora sy olon-dehibe ho kristianina tompon’andraikitra sy tian’ny Fiangonana ary manolo-tena manontolo ho an’I Kristy sy ny asany.

Asa sy ezaka nataony

Nanao asa maro i Père d’Alzon hanatanterahana ny vinam-piainany, nanorina ny Kôlejy ho fanabeazana ny tanora ho kristianina, nandray anjara tamin’ny fiarovana ny zo sy ny satan’ny sekoly katôlika, nanampy tamin’ny fampihavanana ny Katôlika sy ny Protestanta, nanorina ny fikambanan’ny laika, nanorina ny fikambanan-drelijiozy lehilahy sy vehivavy, nanokatra seminera ho an’ny tanora mahantra, naniraka mosiônera nandeha nitory sy nampianatra, nanao fivahiniana masina, ary nanangana gazety sy boky, ka anisan’ny lova lehibe navelany ny gazety “La Croix de Paris”.

.

Fomba fiainany sy lovam-panahy
I Père d’Alzon dia olona feno fitiavam-bavaka, niantehitra tanteraka amin’Andriamanitra, tia ny Fiangonana, ary tsy nitandro havizanana tamin’ny asa fitoriana. Hoy izy: “Ny fitiavana ny Fiangonana dia ny fiarovana ny zony, ny fandalinana ny fampianarany, ny fitarihana ny olona ho amin’ny lalan’ny fahamasinana ary ny fanitarana azy.”
Ireo no lasa lovam-panahy sy aingam-panahy ho an’ny Assomptionnistes sy ireo fikambanana rehetra mpiray aimpanahy aminy:
— ny faniriana hanompo an’Andriamanitra sy ny Fiangonana amin’ny fitiavana sy ny fahamarinana;
— ny fahavononana hanao ny aina ho fanompoana ny Fanjakan’Andriamanitra;
— ny fahazotoana amin’ny asa fanabeazana sy ny asa sosialy;
— ny fahavononana hiara-miasa amin’ny hafa amin’ny fanorenana fiaraha-monina kristianina.
Ny hafatra farany navelany ho an’ireo relijioziny dia izao: “Aoka ho relijiozy vanona.” Io teny fohy nefa lalina io dia mbola mitondra aina sy hafanam-po ho an’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fianakaviambe Assomptionniste hatramin’izao.

Ny anaran'ny fikambanana
Ny anarana ofisialin’ny fikambanana dia “Congrégation des Augustins de l’Assomption”, fantatra amin’ny anarana fohy hoe Assomptionnistes.
Niandohan’ny anarana
Ny anarana hoe “Assomption” dia nalaina avy amin’ny Kôlejy de l’Assomption tao Nîmes, toerana nanombohan’ny fiainan’ny fikambanana. Io kôlejy io dia natokana ho an’i Masina Maria nampakarina any an-danitra (l’Assomption de la Vierge Marie).
Izany no nahatonga an’i Père d’Alzon sy ny namany hanome anarana ho famantarana ny finoany sy ny fanoloran-tenany amin’i Masina Maria.
Heviny manokana
Amin’ny fiainam-piangonana sy amin’ny fiainam-panahy d’Alzon, ny Assomption dia manambara finoana sy fanantenana lalina ho an’ny fiainana mandrakizay. Ho an’ny Assomptionnistes, izany dia fanasana hiaina ny fanantenana, ny fanoloran-tena ary ny fitiavana, amin’ny fanampiana ny hafa hiaina ny fahamarinana sy ny fahazavan’i Kristy.
Ny hoe "Augustins" dia miaina ny toe-panahy sy ny fitsipika masindany Augustins ny Assomptionnistes. Noho izany, miara-miaina amin'ny vie contemplative sy ny vie active izahay.
Izahay dia manana tanjona hanandratra ny fiainan’ny olona ho amin’ny fahamasinana sy ny fahazavan’Andriamanitra, tahaka an’i Masina Maria. Hanintana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany miatomboka ao anatinay ary mitatra amin'ny hafa amin'ny alalan'ny firahalahina, fanabeazana, asa fitoriana ny vaovao Mahafaly, asa fanasoavana, ary fiombonan’ny mpino. Miezaka izahay mampifandray ny finoana sy ny fiainana andavanandro mba hijioana ho vavolombelon’ny fanjakan’Andriamanitra.


FAMINTINANA IREO HAREM-PANAHY MAHA ASSOMPTIONISTES

Aim-panahy sy foto-pampianaran’ny Fikambanan’ny Assomptionnistes

Ny fototra iorenan’ny aim-panahy Assomptionniste dia fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra. Io no vy miaina mamelona ny fiainan’ny relijiozy sy ny asa ataony rehetra, araka ny vavak’i Jesoa hoe: “Ho tonga anie ny Fanjakanao.”

Ny aim-panahy Assomptionniste dia miompana amin’ny fitiavana an’i Jesoa sy ny Fiangonana ary Masina Maria. Ny faniriana lalina dia ny hanitatra ny Fanjakan’Andriamanitra ao amponay sy amin'ny manodidina anay eto an-tany, amin’ny alalan’ny: Fanabeazana sy fanofanana ny tanora ho kristianina tompon’andraikitra; amin’ny alalan’ny asa fitoriana miseho amin’ny endrika maro, Fampiraisana ny mpino; eo ihany koa ny asa fanasoavana sy fiahiana ny mahantra.

Foto-pampianarana manamafy ny tanjona ara-panahy sy ara-tsosialin'ny fikambanana

Ny fampianaran’i Père d’Alzon dia manome lanja lehibe, ny Fitiavana an’i Kristy sy ny Fanjakany, izany dia manentana ny relijiozy hanompo amim-pitiavana sy tsy amin-tahotra; ny fitiavana ny Fiangonana izay miseho amin’ny fiarovana, fanohanana, sy fanitarana ny asa misionera; ny Fitiavana an’i Masina Maria,mandray azy ho reny sy modely amin’ny fankatoavana sy ny fitokiana tanteraka amin’Andriamanitra.

Fomba iainana ny aim-panahy andavanandro

Amin’ny fiainana andavanandro, ny relijiozy Assomptionniste dia mamelona ny aim-panahiny amin’ny: vavaka sy Eokaristia isan’andro, loharanon-kery sy firaisana amin’i Kristy; fiainam-pirahalahiana amim-pitiavana sy fifampizarana ao anaty communauté; fahatsoram-piainana sy fahavononana hanompo amin’ny asa rehetra; fahalalana sy fandalinana ny fampianaran’ny Fiangonana mba hanamafisana ny finoana; fahatokiana amin’ny iraka azo: mitory, mampianatra, manampy ny mahantra, manabe amin’ny fahamarinana sy fitiavana.

Fanomezam-pahasoavana manokana (Charisme) Assomptionnistes

Ny Assomptionnistes dia nahazo fanomezam-pahasoavana manokana avy amin’Andriamanitra, izay mampiavaka anay amin’ny fikambanana hafa, izay mamaritra ny toetra sy ny asa ary ny fomba fiainanay.

Fanomezam-pahasoavana fototra: “Ho tonga anie ny Fanjakanao”

Io vavak’i Kristy io no fo sy fanahy iorenan’ny assomptionnistes. Ny charisme dia ny fitiavana sy fanoloran-tena tanteraka ho amin’ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra ao anatinay sy amin’ny manodidina anay.

Midika izany fa ny Assomptionnistes dia miasa hanandratra ny olona ho amin’ny fahamarinana; Manampy ny Fiangonana amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fanabeazana; Manampy amin’ny fanavaozana ny fiarahamonina ho mendrika ny maha olona sy zanak’Andriamananitra.

Toetra mampiavaka ny Assomptionnistes

Ny toetra ara-panahy sy ara-piainana manokana navelan’i Père d’Alzon dia ny Fitiavana an’i Kristy izay ivon’ny fiainana sy ny asa rehetra sy ny fitiavana an’i Masina Maria izay reny sy modely amin’ny fankatoavana sy ny finoana ary ny fitiavana ny Fiangonana izay miseho amin’ny fiarovana ny zony, fanohanana ny asany, ary fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra;

Miezaka mandrindra ny vavaka sy ny asa ka manambatra ny fiainam-panahy sy ny fiainana andavanandro; Miaina ny fiainam-pirahalahiana anaty fitiavana sy firaisankina ary fiombonana.

 Asa mampiavaka ny fikambanana

Ny asa rehetra ataon’ny Assomptionnistes dia entanin’io charisme io: Fanabeazana kristianina (trano fianarana, kôlejy, seminera); Fitoriana sy asa misionera maneran-tany; Asa fanasoavana sy fiahiana ny mahantra; Fampiraisana ny finoana (œcuménisme) sy fananganana fiaraha-monina mirindra; Asa fampahalalana sy fanentanana amin’ny alalan’ny gazety sy haino aman-jery (oh: La Croix).

Mampiavaka amin’ny fikambanana hafa

Ny charisme Assomptionniste

Ny charisme Assomptionniste dia manavaka azy amin’ny fikambanana hafa amin’ny lafiny: Fahitana misionera manerantany miasa ho an’ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra; Fampiombonana ny Mpino anaty tiavana fitiavana sy fanohanana tsy misy fepetra; Fampifandraisana ny fanabeazana sy ny asa fitoriana izay manambatra ny saina sy ny fo amin’ny fanompoana.

Ny fiakanjo

Ankoatra ny charisme sy ny asa misionera, ny Assomptionnistes dia manana famantarana ivelany mampiavaka azy amin’ny fikambanana hafa: hita izany amin’ny fiakanjo sy ny lakroa entiny isan’andro.

Ny akanjo (habit religieux)

Ny fiakanjon’ny relijiozy Assomptionniste dia manambara ny fahatsorana, ny fahadiovana, ary ny fanoloran-tena amin’i Kristy.

Ny relijiozy dia mitafy akanjo mainty na volontsôkôlà maizina misy satroka mainty, izay mitovy amin’ny an’ny fianakaviana Augustiniana izay iorenan’ny fikambanana.

Indraindray, amin’ny asa sy fisehoana ivelany, dia akanjo tsotra sy mendrika no entiny, maneho fahasamihafana amin’ny fomban-tany nefa tsy manary ny aim-panahy sy ny toe-piainana maha-Assomptionnistes izany.

Heviny ara-panahy 

Ny fiakanjo dia manambara ny fanesorana ny fiankinan-doha amin’ny zavatra eto an-tany sy ny fitiavana ny fahatsorana. Ny akanjo dia mariky ny fahavononana hanompo, amin’ny fitondrana ny fiadanan’i Kristy sy ny Fanjakany amin’ny olona rehetra.

 

Ny Lakroa (Croix de l’Assomption)

Ny Lakroa Assomptionniste dia famantarana masina entin’ny relijiozy amin’ny tratra, ho mariky ny firaiketam-po amin’i Kristy sy ny Fiangonana. Izy io dia lakroa tsotra misy ny famantarana ny tarigetra hoe “Adveniat Regnum Tuum” (Ho tonga anie ny Fanjakanao).

Heviny ara-panahy :

Ny lakroa dia manambara ny fandraisana anjara amin’ny misterin’ny hazofijaliana, izay loharanon’ny famonjena. Manampy ny relijiozy hahatsiaro isan’andro fa ny fiainany sy ny asany rehetra dia fanompoana an’i Kristy sy ho amin’ny fanitarana ny Fanjakany.

ASAM-PAMONJENA

Ny Asa Ataon’ny Fikambanan’ny Assomptionnistes

Ny Assomptionnistes dia fikambanana misionera ka manampy ny Fiangonana amin’ny endriny rehetra. Ny tanjon’ny asa rehetra atao dia ny hanitatra ny Fanjakan’Andriamanitra: “Ho tonga anie ny Fanjakanao.”

Fanabeazana sy fampianarana

Ny fanabeazana no iray amin’ireo asa lehibe indrindra ataon’ny Assomptionnistes hatramin’ny fotoana nanorenan’i Père Emmanuel d’Alzon ny Collège de l’Assomption tao Nîmes. Ny tanjona dia ny hanabe ny tanora amin’ny finoana, fahalalana ary fitiavana ny Fiangonana; ary hananana olona matotra ara-panahy, ara-tsaina ary ara-tsosialy. Ny assomptionnistes dia manampy ny Fiangonana amin’ny fikarakarana ny fiainam-panahin’ny Mpino ho tonga mpandray andraikitra ao ampiangonana.

Asa ny fitoriana ny vaovao mahafaly sy ny mission

Ny Assomptionnistes dia fikambanana misionera hatrany am-boalohany. Mitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny olona rehetra, indrindra amin’ny toerana mbola tsy nisy fitoriana. Manampy amin’ny fanorenana ny Fiangonana amin’ny faritra samihafa;

Asa atao mivatana dia ny:

Fitantanana parôsy aumoneria, fanofanana ny laika amin’ny fandraisana andraikitra ara-panahy; fampanaovana retraites spirituelles, catéchèses, sy formation pastorale.

Ny asa anasoavana (Œuvres sociales)

Fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana; Fanampiana ireo ankizy tsy afa-mianatra sy tanora sahirana, misy ny AMIKa, ao Tolira.

Asa amin’ny haino aman-jery sy fampahalalana

Ny Assomptionnistes dia nanomboka ny gazety “La Croix” tao Paris ho fanoloran-tena amin’ny fampielezana ny fahamarinana sy ny soatoavina kristianina amin’ny alalan’ny fanoratana. Manonta boky, gazety, sy fitaovana fanabeazana ara-panahy; Fampiasana tambajotra sy haino aman-jery ho fitaovana fitoriana sy fampianarana araka ny vaovao mahafaly.

Daty manan-danja ho an’ny Fikambanana

Daty

Zava-nitranga manan-danja

25 Desambra 1845

Niorenan’ny Fikambanan’ny Assomptionnistes tao Nîmes, Frantsa.

25 Desambra 1850

Fanolorana ny voady voalohany nataon’i Père d’Alzon sy ny namany.

21 Novambra 1880

Nahafatesan’i Père Emmanuel d’Alzon, mpanorina.

1991

Nankatoavin’ny Papa ny maha-“Vénérable” an’i Père d’Alzon (dingana mankany amin’ny fahamasinana).

25 Desambra (isan-taona)

Andro fahatsiarovana sy fankalazana ny fiorenan’ny fikambanana.

 Ny Fomba fidirana ho relijiozy assomptionnistes (A.A.)

Ny fidirana ho Relijiozy Assomptionniste dia antso sy lalana iray mankany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny fanirahana manokana hanorina ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy io dia dingana mazava sy fanofanana lalina amin’ny sehatra ara-panahy, ara-pihetseham-po, ary ara-pahalalana, mba hanampy ny tanora hamantatra ny antson’Andriamanitra sy hanompo amim-pahatokiana.

Dingana

Fotoana

Tanjona

Regardant

Fanombohana

Fikarohana sy fandalinana ny antso

Aspirant

1–2 taona

Fiainana miaraka amin’ny relijiozy

Postulat

1 taona

Fampidirana ara-panahy sy ara-tsaina

Noviciat

1 taona

Fampiofanana lalina amin’ny fiainana relijiozy

Voady voalohany

3–6 taona

Fanoloran-tena sady mandray traikefam-piainana

Voady mandrakizay

Mandrakizay

Fanoloran-tena tanteraka amin’Andriamanitra

Hafatra ho an’ny tanora sy ny mpihaino

Aza matahotra ny hamaly ny antson’Andriamanitra. Raha manasa anao ny Tompo amin’ny maha-reliijiozy, dia lalan’ny fahasambarana sy ny fitiavana ho anao izay.

Ny Assomptionnistes dia mitady tanora manana fitiavana sy fanoloran-tena, vonona hanampy amin’ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fomba rehetra, amin’ny fitoriana, fanabeazana, asa fanasoavana, sy amin’ny fampihavanana.

“Aoka ho relijiozy vanona”, hoy Père Emmanuel d’Alzon, izany hoe, olon’ny finoana, ny fitiavana, ary ny asa

.